Header AD

Fampihavanam-pirenena : lany ho hira faneva "Tsy milay", Gasy Lady



Ny harivan'ny alarobia 22 oktobra lasa teo no nivory tetsy Anosy ny KOMIFPI na KOmity MIketrika ny Fampihavanam-PIrenena, ny lohahevi-dehibe tamin'izany dia ny fandaniana izay ho hira fanevan'ny fampihavanam-pirenena.

Hira malagasy miisa 30 no voafintina hisafidianana ka rehefa noalalinina mandritry ny ora maro ny feo sy tonon'izy ireo dia lany tamin'ny tsanga-tanana ny hiran'i Gasy Lady. « Antony tsotra no niantefan'ny safidinay, io hira io dia toa natao mihitsy hampihavana ny malagasy, indrindra ireo mpanao pôlitika. Hira tsy afaka ambavan'ny maro io, resy lahatra izahay fa hitondra fahombiazana lehibe » hoy i Sidina RAMAKAFOKA, filohamboninahitry ny KOMIFPI. « Ny dingana manaraka dia ny fanatontosàna ny "clip", nanainga mavesatra ireo mpitondra teo aloha izahay hiaraka hanao izany. Dimy mirahalahy izy ireo no nantsoina : Ato Didier RATSIRAKA, Atoa Zafy ALBERT, Atoa Marc RAVALOMANANA, Atoa Andry RAJOELINA ary Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA - ka ny lafiny dihy no hiandraketan'izy ireo » hoy ny tomponandraikitra iray.

Ankoatry ny feon-kira izay avo lenta tokoa, toy izao ny ampahany amin'ny tononkira :



Ha! Fa inona mihitsy no mampitabataba anareo ato e
Mikiakiaka ary, mikiakiaka aty
Hoatry ny olona ratsy taiza
Tsy mety mihitsy ka
Ajanony!
Mamory vahoaka mameno lalana fotsiny

::Tsy milay akia, tsy milay akia
Tsy milay akia ny pasinareo fa mba ovay akia::

Tsy menatra ery ity miresaka
Mitsangana tsy mba mipetraka
Manala baraka eny imason'ny olona
Jereo nge ity fokonolona e

Aleo aloha izaho mba hiteny,
Tsy mety ny manao tahak'ireny.
Olon-dehibe fa tsy zaza,
Raha misy hadisoana dia mifanazava,
Hoe izao : tsy tiako ny ataon-dri
Na izao : tsy tiako ny ataon'ialahy.

Aleo hilamina any rangahy an
Ny afara tsy averina intsony e
Mandefitra koa ange tsy mahafaty
Fa ny miady no ratsy e
Tsy olon-dehibe no miteny f'izany mba anatr'i dada sy neny

::Tsy milay akia, tsy milay akia
Tsy milay akia ny pasinareo fa mba ovay akia::

Fampihavanam-pirenena : lany ho hira faneva "Tsy milay", Gasy Lady Fampihavanam-pirenena : lany ho hira faneva "Tsy milay", Gasy Lady Reviewed on octobre 23, 2014 Rating: 5

Post AD