Header AD

Grande Braderie : nihontsana ny vody



Dimy taona teo ho eo izahay no tsy mba nitsidika ity hetsika Grande Braderie de Madagascar ity, ka mba lasa niara nirona hijery izay entana mora atolotry ny mpivarotra any.

Akory ny hagaganay fa dia zatovo, ary azo lazaina hoe ankizy avokoa ny ankamaroan'ny mpitsidika. Ny tena nahatalanjona dia fihenam-bidy no nendrasana, fihotsanam-body no natolotry ny mpikarakara... somary mahasadaikatra fa hozaraina aminareo na izany aza :




Video nindramina no atolotra anareo satria tsorina am-po madio fa tsy nampoizinay ho hisy ny fampisehoana tampoka toy izao, ny fitaovanay rahateo hadino tanaty fiara toy ny mahazatra.

Toy ny ray aman-dreny vitsivitsy izay nanodidina teo dia velom-panontaniana izahay ny amin'ity karazana dihy ity... sa ve manampy amin'ny fanalàna selolita?
Mitohy ny fikarohanay...
Grande Braderie : nihontsana ny vody Grande Braderie : nihontsana ny vody Reviewed on octobre 04, 2015 Rating: 5

Post AD