Header AD

Lamaody : karazana "seflie" vaovao. Mety aminao?



Amin'izao ankatoky ny faran'ny taona 2015 izao no fanararaotana hanaovana ny adalàna faraparany satria samy mikasa ho olom-baovao rehefa vaovao ny taona.

Miavaka amin'ny rehetra ikalakely Pattie Miie satria mifamadika tanteraka amin'ny fanaon'ny olona ny azy. Tsy niandry ny taona vaovao izy fa tonga dia nomeny mivantana ny namany ao amin'ny tambazotra sosialy Facebook ny ho lokon'ny taona 2016 ho azy : lamaody vaovao be manodidina ny fakàna sary, "selfie" raha ny marimarina kokoa.

Ny "selfie", izay azo hagasiana hoe "saritena", moa dia fomba fakàna sary izay tsy izoviana amin'ny maro intsony, ny karazan'olona tsy mba misy mpaka sary -na mahatsapa ny tenany fa tsara -na koa mitsiry fitiavana amin'ny tenany no tena mpanao azy.

Tian'i Pattie Miie ny endriny, tiany koa ny nonony, tiany ny molony... ary tiany ny sakaizany... Efa andro maromaro izy no nikaon-doha hoe "Ahoana no fomba hampidirako ny endriko, ny nonoko ary ny sipako anatin'ny selfie tokana?".

Rehefa naka hevitra tamin'ny olona maromaro izy dia izao no vokany :


Fahombiazana tanteraka... Selfie m'tapy be!!!

Nanaiky hizara amin'ny rehetra ny fomba fanaovana ity selfie vaovao ity i Pattie Miie, dingana lehibe telo :
1 - Sokafana ny akanjo;
2 - Ampanantonana ilay olon-tiana ka asaina nonoiny ny nono havia raha "droitière", ny nono havanana kosa no nonoiny raha "gauchère". Izany hoe tsy maintsy mifanohitra amin'ny tanana hitazona ny fakantsary ny nono nononina satria raha tsy izay dia hifanandrify amin'ny helika (sanatria mety hisy fofona) ilay olon-tiana;
3 - Raisina ny fakantsary ary alefa lavitra tsara ny tanana mitazona azy mba ho tafiditra tsara ao anaty "cadre" ny tiana ho azo rehetra;
4 - Somary kakerina kely ny molotra;
5 - Pihina ny sary.

"Ny mahatsara ity karazana selfie noforiniko ity dia tsy ahiana hotsikeràn'ny olona na kely aza satria tsy miboridana ny nonokeliko, hihi, fa ao am-bavan'i chéri...", hoy ny tovovavy faly dia faly tamin'ny asany.

Raha ny filazan'i Pattie Miie dia misy endrika hafa azo atao tsara ity lamaody noforoniny ity. Raha manana olon-tiana roa ohatra hoy izy dia azo samy avoaka ny nono roa, ary raha lehilahy no mitàna ny fakan-tsary dia tsy ny nonony no nonoina fa zavatra hafa.

Feno finoana izahay fa ho betsaka dia betsaka ny tanora malagasy 7 hatramin'ny 77 taona hanao ity selfie-n'i Pattie Miie ity amin'io taona ho avy io.
Lamaody : karazana "seflie" vaovao. Mety aminao? Lamaody : karazana "seflie" vaovao. Mety aminao? Reviewed on décembre 29, 2015 Rating: 5

Post AD