Header AD

Be rendrarendra loatra ny Filohantsika, nividy borosy nify indray...



Eny tompoko! Fantatra izao fa mitombo indray ny rendrarendran'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina na dia efa fantany loatra aza (fa izy mody gisa) ny fahoriana mahazo ny vahoaka.

Andro vitsy mialoha ny fahatongavan'Ato Ban Ki-Moon, Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana (ONU), dia nanao ny "courses"-ny tamina tranom-pivarotana lehibe iray eto an-drenivohitra ny Filoha mivady. Ankoatr'ireo entana efa mahazatra izay ilaina an-davanandro (PPN) toy ny télé 42 pouces, table billard, frizidera, lafôro micro-ondes, altera (poids fanabokonana hozatra), kidoro sy ny maro hafa ... dia fantatra fa nividy borosy nify 2 be izao ny Filoha, ny voalohany ho azy ary ny faharoa ho an'dRamatoa vadiny.

"Fa dia inona loatra no ao an-tsain'ity Filohantsika ity? Tsy mbola nisy Filoha nahavita izao hatr'izay, ary ny tena zava-doza dia isan-taona ve izy dia hividy borosy nify foana? Taperiny amin'ny rendrarendrany ny volam-bahoaka..." hoy ny ekonomista iray rehefa nanontanianay.

Ilay tovovavy teo amin'ny fandoavam-bola moa dia nanana herim-po nilaza izany tamin'ny tambazotra Facebook :


Mitovy amin'ity sary eto ambany ity ilay borrosy nify novidiany. Miloko mena, manga sy fotsy ka asa raha mbola ambadik'izao raharaha izao ihany i Frantsa renimalala.
Be rendrarendra loatra ny Filohantsika, nividy borosy nify indray... Be rendrarendra loatra ny Filohantsika, nividy borosy nify indray... Reviewed on mai 13, 2016 Rating: 5

Post AD