Header AD

Lazaina fa mpandainga, hametraka fitoriana ny Filoha Hery



Tsy ankasitrahan'ny Filoha hajaina Hery Rajaonarimampianina velively ity hetsika ataon'ny olom-bitsy ity ka nilaza ny hametraka fitoriana izy io maraina io raha nanoloana anay mpanao gazety.
Efa andro vitsivitsy tokoa izay no misy migafy tsotr'izao ny fahatongavan'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana (ONU) eto Madagasikara, Andriamatoa Ban Ki-Moon.

Ny teti-dratsin'ireto olom-bitsy ireto dia ny hilaza ny marina sy ny fahorian'ny Malagasy amin'io vahiny io, ny Filoha nefa etsy ankilany dia manao izay tratry ny ainy hampiseho zavatra tsara hatrany : endrika sariaka, lalana tsisy lavaka sy malalaka tsara sy ny tranom-panjakàna madio toy ny avy nolokoina...

Tezitra mafy arak'izany ny Filoha mivady ka izao milaza ny hametraka fitoriana eo anivon'ny Fokotany misy azy izao : "Fialonana no be dia be amin'ireo olona ireo, iza no tsy mba manao metimety aminareo rehefa mba handray vahiny? (...) Izaho manana ny fahefana fara-tampony eto amin'ny tany sy ny fanjakàna indray ve no lazainareo fa mpandainga? Hitory aho ..."
Nitombo zato heny ny hatezern'ny Filoha rehefa nampahafantarim-badiny azy fa nihaona ambadika tamin'ireto olom-bitsy ireto i Ban Ki-Moon ary nilaza tamin'ireo fa efa fantany ny fahorian'ny malagasy, nampiseho sary maromaro hono ity Sekretera Jeneralin'ny ONU ity hanamafisany izany.



Nahafinaritra tokoa ny fahatongavan'ny vahinintsika :




"Miantso andro ratsy ireto olona ireto", hoy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina.

Lazaina fa mpandainga, hametraka fitoriana ny Filoha Hery Lazaina fa mpandainga, hametraka fitoriana ny Filoha Hery Reviewed on mai 11, 2016 Rating: 5

Post AD