Header AD

Akanjo fripy teo Mahamasina no nanaovan'dRamatoa Voahangy : 5 000 Ar



Tezitra, gaga sy sorena ny vahoaka ao anatin'ny tambazotra sosialy Facebook raha nisy nampahafantatra fa mitentina 28 657 000 Ariary ny akanjo nisaloran-dramatoa Voahangy Rajaonarimampianina teny Iavoloha nandritry ny asaramanitra lasa teo.

Noho ny adidy masina izay iandraketanay dia notere-panahy izahay ka nitady ny marina mikasika ity resabe ity, azonay avokoa ny andinondinony rehetra mikasika ity akanjo maitsokely ity.

Olona iray, namana, akaiky dia akaiky an-dramatoa 1ère dame no tafaresaka taminay : "Mapme be lay vahoaka tsy mba manadihady fa miteniteny foana, teny Mahamasina iny robe iny, vao novidianay tamin'ny Alakamisy teo, tsy mbola voasasa aza fa tsy tratra intsony.", hoy ity naman'i madama izay efa mpiaraka aminy manao shopping eny Mahamasina isak'alakamisy.

Tsy nijanona teo anefa izahay fa nanohy ny fanadihadiana ka nanaiky am-pitiavana ny hiresaka aminay ny mpivarotra nahazoan'izy roa vavy ilay akanjo : "Faly be aho fa akanjo taty aminay iny nanaovany teny Iavoloha iny, tsara be toa ireny avokoa ny akanjo eto fa tongava mividy, izay manana goût mahalala!", hoy i Delphine, mpivarotra, alohan'ny hanohizany hoe : "Efa ela iny no tao, ary tsy nisy naka mihitsy satria misy triatra kely ao amin'ny sorony. Fa hitan'i Voahangy ilay izy dia novidiany ihany rehefa niady varotra be izy. Notombanako 30 000 Ar dia mody niavonavona izy ka nandeha, fa niverenany satria tsy naharitra izy. Rehefa hitako fa tena tiany dia nalefako ihany: 5 000 Ariary".

Nahazo tokoa izany ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina raha nahazo satria raha vaovao iny akanjo iny dia manodidina ny 28 657 000 Ar no vidiny.


Dolce & Gabbana - Embellished Strapless Printed Dress


Porofo hafa koa izany fa miha-mahantra ny malagasy, ny 1ère dame aza manao fripy, ary tsy vitan'izay fa ny Filoha ihany koa amin'ity kôsitara somary ngeza loatra ity :

Akanjo fripy teo Mahamasina no nanaovan'dRamatoa Voahangy : 5 000 Ar Akanjo fripy teo Mahamasina no nanaovan'dRamatoa Voahangy : 5 000 Ar Reviewed on juin 29, 2016 Rating: 5

Post AD