Header AD

Poritra an-daharana i Alain Ramaroson ka nitsaitsaika nody



Lohalaharana tamin'ny diabe nataonay mpanao gazety ny maraina teo Andriamatoa Alain Ramaroson ary anisan'ny tena vonona mihitsy raha ny fahitàna ny fihetsiny amin'izao fandresen-dahatra ny depiote tsy handany ny Code de la communication izao.

Nefa indrisy ry Alexis fa ny olombelo tsy akoho! Poritra tampoka tao anatin'ny fientaentanana tanteraka ity mpanao pôlitika ity ka tsy maintsy nandeha nody rehefa tsy nahita efitrano fivalanana teo Tsimbazaza. Gaga noho izany izahay mpanao gazety nanaraka azy: "I Alain kosa e! Mba mila fahamatorana ihany ny hetsika toa itony, aucune erreur n'est permise, efa nafarana ombieny hatramin'ny omaly fa mipipi maraina daholo vao miainga..." hoy ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy izay hita fa tena sorena mafy. Novakiana fotsiny tokoa fa raha izy mbola vonon-kiady be iny dia nanjombona tampoka ny endriny, ary nijaikojaiko moramora namonjy ny fiara nitondra azy, tsy nisy nahateny ireo namana mpanao gazety fa izahay ihany no nahavita nanaraka sy nanontany azy: "Tsy misy resabe izany e! Hadinoko ny nipipi tamin'ny maraina teo, tsy nde hataoko eto imasom-bahoaka eto izany. Izay fa lasa aho, omeo vaovao eo ihany..." hoy izy tsembo-dratsy.



Taorian'iny seho iny dia aleonay mihitsy nandeha nisakafo aloha, avy eo indray miverina any raha mbola mahatratra olona ao. Raha sanatria vita ny androany ka mitohy rahampitso ny hetsika dia manainga mavesatra ny vahoaka izay tsy te hotapenam-bava rehetra hanotrona anay mpanao gazety, am-pilaminana. Aza adino, mipipi sy micaca vao miainga!

Sary: Facebook, tananews.com
Poritra an-daharana i Alain Ramaroson ka nitsaitsaika nody Poritra an-daharana i Alain Ramaroson ka nitsaitsaika nody Reviewed on juin 30, 2016 Rating: 5

Post AD