Header AD

Fantatrao ve fa mpianaka Atoa Manandafy Rakotonirina sy i Kix Ambondrona



Akory izato fahatairan'ny mpikambana ao amin'ny tambazotra sôsialy Facebook raha namoaka io sary ambony io ny olona iray ao amin'ny fianakaviana. Marina tokoa fa rehefa fanta-daza amin'ny sehatra samy hafa ny mpianaka dia tsy tonga ho azy ao an-tsain'ny olona ny rohim-pihavanana misy amin'izy ireo.

Tsy nisy ny nampahalala teny am-boalohany ary tsy nisy ny nanontany, fa fantatra izao hoe mpianaka Atoa Manandafy Rakotonirina sy ilay mpanakanto, Kix, amin'ny tarika Ambondrona. Ray niteraka an'i Kix i Manandafy ary zanaka naterak'i Manandafy i Kix, iray tampo amin'ny zanak'i Manandafy izany i Kix ary izy ireo dia manana dadatoa sy nenitoa iraisana, manana dadafara sy nenifara iraisana, ary mazava ho azy fa manana raibe sy renibe iraisana.

Resaka nafenina...

Araky ny vaovao azo dia andro vitsivitsy lasa andriamatoa Manandafy vao niaiky fa izy no ray niterka an'i Kix. Na nisy aza ny fitiliana voamarina teo amin'ny ADN, taona marobe lasa izay, dia tsy nanaiky mihitsy ity mpanao pôlitika gaigilahy ity. Ny avy aty amin'i Kix rahateo tsy nivakiloha.

"Aleo ambara amin'izay ny marina: mpankafy volohany ny tarika Ambondrona aho ary nanaraka isan'andro an'i Kix hatramin'ny fahazazany, na dia somary nanalavitra azy aza. Zanako izy, ary porofon'izany, nitovy tsisy valaka amin'ny feony ny feoko tamin'ny fahatanorako. Ny fitovizan'ny endrikay sy ny fitiavana ilay satroka kely iny efa tsy lazaina intsony.", hoy i Manandafy nanao ampamoaka, ary nampiany hoe : "Ho sarotra amiko ny hanohy ny fanaovana pôlitika noho ny ara-pahsalamàna, ny zanako no iriako handimby ahy nefa ilay raikalahy ao somary midirorororo, i Kix no heveriko hahavita sy hahomby amin'izany."

Tsy mbola naneho ny heviny i Kix, fa raha izy no handimby ny rainy dia hery lehibe ho an'ny antoko MFM, tsy ho olana velively ny fanaovana show politique satria morabe ho an'ny tarika Ambondrona ny mahazo ny fon'ny vahoaka.

Misy moa ny fampiaraha-peo notontosain'izy mianaka, hivoaka tsy ho ela eny amin'ny haino aman-jery.
Fantatrao ve fa mpianaka Atoa Manandafy Rakotonirina sy i Kix Ambondrona Fantatrao ve fa mpianaka Atoa Manandafy Rakotonirina sy i Kix Ambondrona Reviewed on juin 03, 2016 Rating: 5

Post AD