Header AD

Mihomehy amin'ny mananasy: ho raràn'ny code de la communication



Saika nirefotra ny tambazotra sosialy Facebook omaly alarobia 29 jiona fa niverimberina loatra ny teny hoe "mananasy" na "ananas", ny tena mahagaga dia tsy misy mahafantatra ny anton'io sehon-javatra io, ary tsy nijanona teto amin'ny aterineto ihany ny resabe fa tonga hatreny ambavan'ny olona.



- Ny ankamaroan'ny olona dia velom-banitika rehefa misy manonona ny teny hoe "mananasy"
- Tao ny nandefa fomba fanaovana desera sy nahandro misy mananasy
- Tao ny nanova ny photo de profil-ny ho sary mananasy
- Tao ny mpivarotra nahalafo mananasy 5 000 isa tao anatin'ny 4 ora
- Lany tamingana ny akanjo misy sary mananasy teny behoririka
- Filaharam-be teny amin'ny pochard : olona hampanao peta-kofehy sary mananasy eo an-tratran'ny akanjony
- Tao ny malagasy nangasiasy sy lany pasy rehefa nitete teo amin'ny taratasy ny ranona mananasy

Sehon-javatra maro hafahafa izany, ampy tsara hanaitra an'ireo izay mikirakira ity code de la communication ity ka dia natsofoka moramora tao ny hoe :

Article 20 bis : Quiconque prononcera les mots "ananas" ou "mananasy" dans un esprit humoristique sera sanctionné. L'ananas ne doit être assimilé qu'à sa vraie nature : un fruit. Les délais de procédure de citation directe sont ceux prévus par l’article 77 du Code de Procédure Pénale.

Maro ny milaza fa misy ifandraisany amin'ny vadin'ny filoha Hery Rajaonarimampianina ity resaka mannasy ity, izahay manokana dia tsy mahafantatra ny tena fahamarinan'izany. Ny mpitondra fanjakàna manondrana, ny vahoaka tsy hay intsony izay ao an-tsainy...

Raha amafisina kely, ny code de la communication dia kasaina hampanekena ny Antenimierampirenena rahampitso zoma 1 jolay. Hanampim-bava izay rehetra tsy miaradia sy tsy miray hevitra amin'ny mpitondra ankehitriny io code de la communication io, tena tokony hotsipahin'ireo depiote.
Mihomehy amin'ny mananasy: ho raràn'ny code de la communication Mihomehy amin'ny mananasy: ho raràn'ny code de la communication Reviewed on juin 30, 2016 Rating: 5

Post AD