Header AD

Manahy ny hihitaran'ny korontana any USA ny Filoha, handefa miaramila malagasy mpampandry tany



Nanome toky ny ambasadaoron'ny Etazonia eto Madagasikara fa tsy hisy fiantraikany amin'ny fiarahamiasan'ny firenena roa tonta ny fahalanian'ny Filoha amerikana vaovao : Donald Trump, na amin'ny resaka diplomasia, na harin-karena na sosialy.
Na izany na tsy izany anefa dia manahy be ihany ny Filoha Hery Rajaonarimampianina taorian'io nahalanian'ny Filoha amerikana vaovao io, noho ny mety ho fisian'ny korontana any an-toerana, ka nanapa-kevitra ny handefa miaramila malagasy mpampandry tany izy.

Roa ihany aloha no miaramila vonon-kiaro sy hary fitaovana alefa ety am-boalohany, ary arahina manam-pahefana maromaromaro izay hanatevina ny delegasiona :
- depiote folo,
- minisitra dimy,
- mpiasan'ny orinasa JIRAMA folo,
- olona akaikin'ny filoha (havana aman-tsakaiza) miisa telopolo

Mahafeno 57 arak'izany izy ireo no handeha amin'ity andiany voalohany ity, santatra ambavarano ihany hoy ny Filoha ary nampiany hoe : "Voin-kava-mahatratra ka izay didia-maharary".

Ny alahady ho avy izao no hanainga etsy Anosizato ity delegasiona malagasy ity, handeha lakana mpaka fasika maromaro. Hivoy amin'ny reniranon'Ikopa izy ireo, handalo Betsiboka ary rehefa tafavoaka any Mahajanga dia hitety ranomasina mankany Zamerika. Raha mijanona ao anaty lakana sy miantehitra amin'ny herin'ny tenany izy ireo dia afaka herintaona sy tapa-bolana eo ho eo no ho tonga any USA, tsy hionona amin'izany anefa izy ireo araky ny vaovao azo fa hiantsampy tsy am-pisalasalàna raha sendra mahita sambo be.

Etsy Anosizato àry ny fotoana ny alahady ho avy izao hanao "soava-dia" an'ireto miaramila malagasy ireto amin'izao fiatrehana ny adidy masina nomen'ny Filoha azy ireo izao.
Manahy ny hihitaran'ny korontana any USA ny Filoha, handefa miaramila malagasy mpampandry tany Manahy ny hihitaran'ny korontana any USA ny Filoha, handefa miaramila malagasy mpampandry tany Reviewed on novembre 12, 2016 Rating: 5

Post AD