Header AD

Voahangy Rajao, mety hanao akanjo misy letchis amin'ny francophonie



Nandritry ny valan-dresaka nataon'izy ireo herinandro maromaro lasa izay (hadino ny nandefa ny vaovao) dia nilaza fa efa vonona tsara ny Fikambanan'ny Mpitsikera Malagasy (FMM) hitsikera izay akanjo havoakan-dramatoa Première Dame mandritry ny francophonie. Raha ny filazan'Atoa Doris Ramanambava, mpitondra tenin'ny fikambanana, dia efa vonona ny teti-bola hanapariahana ny tsikera rehetra : "Efa nahavita karazana levée de fonds kely izahay. Nahangona teo amin'ny 35 000 000 Ariary teo: ny 30 000 000 Ariary hanapariahana ny tsikera amin'ny tambazotra sosialy ary ny 5 000 000 Ariary tavela kosa hamerenana ireo mahantra izay noraofina tamin'ny kamiao mpaka fako".

Naharitra telo andro moa ny fivoriana izay notontosain'izy ireo ary fantatra taorian'izany fa mety hisy sary letchis ny iray amin'ny akanjo hanaovan-dRamatoa Voahangy Rajaonarimampianina amin'ity Sommet de la Francophonie ity.



Araky ny filazan'Atoa Doris dia "Mety hampanjaitra ramatoa fa rehefa nitady tamin'ny aterineto izahay dia tsy nahita afa tsy akanjo iray tsy ahitana sary letchis akory, sady mora vidy loatra" :


Grace & Mila, Litchi FLoral Dress
https://jzdstyle.com/products/grace-mila-litch-printed-dress

Kely izany ny finoan'ny mpikambana amin'ity FMM ity hoe ho io akanjo io no hanaovan-dramatoa vadin'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, mieritreritra ny FMM fa ho avo roa heny fara-fahakeliny mihoatra ilay nanaovan-dramatoa teny Iavoloha, tamin'ny fahatsiarovana ny fahaleovan-tena, no ho hita eny aminy.
Misy amin'izy ireo koa no mieritreritra fa haverin-dRamatoa hanaovana ilay robe mananasy ka hoentiny manome lesona hoe "Tsy voatery miakanjo vao mividy tsara."



Voahangy Rajao, mety hanao akanjo misy letchis amin'ny francophonie Voahangy Rajao, mety hanao akanjo misy letchis amin'ny francophonie Reviewed on novembre 18, 2016 Rating: 5

Post AD